Ny taona 2006 no teraka ny tarika Akam’s Music, raha ny fanazavan’i Maholy, vavy tokana sady lehiben’ny tarika. Mpinamana maromaro no nanangana azy ary dia avy amin’ny teny hoe “Akama” sy ny fitiavana mozika no nahatonga ny hoe : “Akam’s music”.
Nisy fotoana, fony fahavelon’ny mpamoron-kirany no nanana ny hirany manokana ny tarika saingy noho ny fandaharan’Andriamanitra dia nodimandry ny mpamoron-kira ary tapa-kevitra ny hanohy lalana amin’ny alalan’ny fanafanana fety aman-danonana sy fitondrana amin’ny endriny hafa ireo hira malaza an’ny tarika. Etsy amin’ny Espace Manovosoa Alasora no hitondran’izy ireo revy hafa mihitsy hitsenana ny taona vaovao 2018 ny alin’ny 31 desambra izao, raha ny fanazavan’i Maholy hatrany, hotetezina avokoa ireo vazo nalaza milamindamina sy mihetsiketsika hatrany amin’ny taona 1980 no mankaty manomboka amin’ny 9 ora alina. Havanana amin’io fampirevena sokajin-taona rehetra io moa ny tarika raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.