Actualités

Fetin’ny Repoblika faha-4 Lasa tsena ny araben’ny fahaleovantena


  • Alakamisy 13 Desambra 2012

Lasa tsena tanteraka ny araben’ny fahaleovantena Antsirabe ny tolakandron’ny talata 11 desambra lasa teo nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Repoblika faha-4.

 Saika zava-pisotro misy alikaola avokoa no nitobaka tamin’izany ary dia feno tanteraka ny arabe. Asa na noho ny tahotra ny hisian’ny korontana moa fa dia rakotra mpitandro filaminana toy ny mahazatra isaky ny misy hetsika ataon’ny tetezamita ny tanànan’Antsirabe.

Raha ny fahitan’ny olona azy dia karazan’ny tsy matoky tena ny mpitondra fa miantehitra amin’ny basy hatrany. Ny tsikaritra dia tsy mandridra ny filaminana ireto mpitandro filaminana ireto fa niambozona ireny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ireny, izay midika fa ny mpanohitra no tena nambenana mafy sao handrava ny hetsika angamba. Ireto farany izay somokitra nanomana ny fetin’i Dada fa tsy niasa saina tamin’izany akory !

Caïus Raharison 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT