Actualités

Fetin’ny paska Antsirabe Tapitra ny manjaka tokana


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Hitorajofo tanteraka ny fankalazana ny fetin’ny Paska eto Antsirabe amin’ity indray mitoraka ity satria hanjakan’ny fifaninanana tanteraka ary tapitra tanteraka ny “Manjaka tokana” teo aloha nataon’ny Orinasa iray mpikarakarana hatrany ny fetin’ny Paska teto Antsirabe.

Hatramin’izay mantsy dia Orinasa iray tantanan’ny Frantsay hatrany no nahazo nanao lanonana teto Antsirabe saingy amin’izao fotoana dia efa miantsehatra eto avokoa mandritra ny fetin’ny Paska ny mpandraharaha hafa. Isan’ireo sahy hifaninana amin’izao fotoana ny Orinasa Comadis izay isan’ny miara miasa amin’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra.Mpanakanto kalaza maro araka izany no nalain’ity orinasa ity hanafana ihany koa ny fetin’izy ireo eo anolonan’y Lapan’ny tananan’Antsirabe manomboka ny 03 Avrily hatramin’ny 06 Avrily ho avy izao ka isan’izany I Stephanie, izay efa andrasan’Antsirabe mafy mihitsy satria sambany ho avy eto.Eo ihany koa ireo tarika ankafizin’ny tanora toan’I Agrad & Skaiz, Barinjaka, Oladad, ary I Gohtlieb sy I Mami Bastà izany. Akoatry ny seho an-tsehatra eo amin’ny lapihazon’izy ireo moa dia hisy ny Zumba ankalamanjana harahina fanetanana hoan’ny vehivavy ihany koa.Hanjaka tanteraka araka izany ny fifaninanana eo amin’ny samy mpandraharaha ka ny hirariana dia ho am-pilaminana tanteraka no hifalian’ny mponina sy ireo vahiny isan-karazany izay ho tonga eto Antsirabe,satria hanana safidy maro ny mponina araka izany.

 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT