Actualités

Fetim-pirenena Frantsay teny Ivandry Nokianin’i Châtaigner manokana ny FIS


  • Alakamisy 15 Jolay 2010

Ela ny ela ka vaky vava ny Frantsay ny amin’ny fomba fitantanana ataon’ny FAT. Nanakiana mafy mivantana ny fisian’ny FIS mantsy i Jean-Marc Châtaigner, omaly, teny Ivandry.

Nilaza mihitsy ity farany fa hamaha ny olana eto amin’ny firenena ny fanafoanana itony karazana rafitra ivelan’ny miaramila itony. Tsara ny manamarika fa efa nosokajian’ny Firenena Mikambana nandritra ny fivoriana mikasika ny zon’olombelona tany Soisa tamin’ny volana febroary 2010, ho anisan’ny milisy natsangan’ny mpitondra tetezamita ity FIS ity.

Efa namerimberina izany hatrany an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery ny mpitarika ity FIS ity tamin’izany fotoana ny lietna kolonely Andrianasoavina Charles. Nilaza izy tamin’izany fa rafitra tsy manana fijoroana ara-dalàna io FIS io. Izao ny Frantsay no miteny azy satria tsara ho fantatra fa ny ambasadaoro iray raha miteny dia ilay firenena isoloany tena izay no mamoaka ny heviny. Tsy vitan’izay fa efa nisy tranga vitsivitsy nahoraka an-gazety koa nahavoatonontonona ny olon’ny FIS. Ny fakana an-keriny Karana tany Marovoay, ny resaka fakana vola tamina teratany vahiny teny Ambohibao. Ny lietna kolonely Andrianasoavina Charles moa dia efa tsy tazana tamin’ity FIS ity intsony volana vitsy lasa izay koa asa na mety ho anisan’ny antony izany rehetra izany. Voamarika ihany koa fa efa tsy nilahatra teny Mahamasina ny FIS tamin’ny 26 jona teo. Nanampy tamin’ny fitandroana ny filaminana moa no nambara ho antony tamin’io, na efa misy mpisahana aza izany. Midika ve izany fa hofoanana amin’izay ny FIS ?
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT