Actualités

Fetim-pirenena Frantsay Nandŕ ny fanasana ny firehana Zafy Albert


  • Talata 13 Jolay 2010


Na dia teo aza ny ezaka manokana nataon’ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto Madagasikara, Jean-Marc Châtaigner omaly dia mafy orina ny foto-kevitra ijoroan’ny firehana Zafy. Araka ny fantatra mantsy dia tsy hanatrika ny fetim-pirenena frantsay hankalazaina eny Ivandry izy ireo. Tahaka ny firehana telo dia anisan’ireo nahazo fanasana hanatrika ity fety ity ihany koa ny firehana Zafy. Efa hatry ny omaly anefa izy ireo no nanizingizina fa tsy hanatrika izany. Naheno izany ny teny Ambatobe misy ny masoivoho frantsay dia nangataka ny hihaona tamin’ny lehiben’ny firehana i Jean Marc Chataigner omaly. Taorian’ny fihaonan’ny roa tonta dia mbola nanamafy indray ny avy amin’ity firehana ity fa tsy hanatrika izany fety izany mihitsy izy ireo. Izany anefa, hoy izy tsy midika fa mety hisy ihany ny olona avy ao aminy izay tsy voafehy hanatrika izany. Ny an’ny firehana roa hafa kosa ankoatra ny FAT dia tsy mbola nanapa-kevitra hatramin’izao. Ho hita ny marina rahampitso. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT