Actualités

Festival Mamahoaka Antsirabe Nofoanana noho ny olana ara-bola


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Sahirana ihany koa vokatry ny tarazon’ny krizy ny mpanakanto raha ny nambaran’i Mami Bastà. Antony iray nanafoanana ny Festival Mamahoaka fanao ao Vakinankaratra izany.

 

 Nambarany fa noho io olana ara-bola io dia saika nampiarahana amin’ny Foara Z’ovy, foaran’ny Faritra ny Festival Mamahoaka ny faran’ny volana ity saingy nihemotra ho amin’ny faran’ny volana oktobra indray ny Z’ovy vao hatao dia naleon’ny mpikarakara ny Festival Mamahoaka niato tanteraka. Mety efa hisy orana amin’izany fotoana izany, hoy i Mami Bastà nefa ankalamanjana ny hetsika sady maimaimpoana. Raha tsiahivina dia fifanakalozana sy fitrandrahana ireo mpanakanto vao misondrotra ka hanosehana izany no tanjon’ny Mamahoaka tao Vakinankaratra hatramin’izay. Antsirabe rahateo taninketsan’ny mpanakanto ho an’i Madagasikara. Nivelatra amin’ny iraisam-pirenena izany taty aoriana, izay vao mainka nampitombo ny filana ara-bola, nefa ny hetsika maimaimpoana. Amin’ny taona 2016 indray izany raha mbola hisy ihany ny Mamahoaka e !

Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT