Any Morondava renivohitr’i Menabe no hanatanterahana ny andiany fahatelo amin'ny hetsika ara-panatanjahantena sy fizahantany "Festival Beach Big Sôma" ny 18-19-20 desambra ho avy izao taorian’ny nandraisan’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Boeny ireo andiany roa voalohany.
Ny depiote voafidy tany amin’ity distrika ity, Hawel Mamod Ali, tohanan'ireo mpiara-miombon'antoka sy mpanohana efa zatra miara-miasa aminy no mpikarakara mivantana ity hetsika any Menabe ity. Vahiny maro toy ny avy any Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Soanierana Ivongo no handrasana any an-toerana hifaninana amin'ny "beach soccer, volley soccer, lomano, fifaninanana lakana ary fanentanana ara-javakanto maro, indrindra ny fampisehoana ny kolontsaina izay mampiavaka ny Faritra tsirairay avy. Hisy koa anefa fiavian’ny mpanakanto fanta-daza toa an-dry Dah Mama, Firmin ary ny Kaiamba. Amin’ny maha ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny andro anaovana ny hetsika dia tsy hohadinoina ny mampisongadina ny resaka fizahantany. Efa fanampiana ny vahoakan’i Morondava hianoka amin’ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona rahateo ny hetsika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.