Hetsika entina hampahafantarana ny fahasamihafan’ireo mozika marobe eto amintsika
Hotanterahina eto an-drenivohitra manomboka ny 11 ka hatramin’ny 20 septambra ho avy izao ny festival angaredona andiany faha-12, noforonin-dRajery, ilay mpanakanto fanta-daza amin’ny fitendrena valiha
. Mpanakanto mihoatra ny 27 isa no handray anjara amin’izany izay samy hampahafantatra ireo karazana mozika misy eto amintsika sy ny fahasamihafany, arahin’ny fifanakalozana traikefa. Tanjona ny hahafahana manome aina hatrany ny kolontsaina malagasy hahafahana mivelatra sy mandroso araka ny tokony ho izy. Etsy amin’ny tranompokonolona Analakely no hisantarana izany ny datin’ny 11 septambra hiarahana amin’ilay mpanakanto antsoina hoe : Zazaraha. Karazana fampisehoana miisa efatra isan’andro raha kely indrindra no harahina amin’izany arahin’ny fampianarana valiha maimaimpoana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.