In-droa mahita ny maizaina. Taorian'ny delestazy efa andro maromaro dia nendahina tsy ankilaza indray izao ny kaonteran'ny mpanjifan'ny Jirama amin'iny kartien'i Fenomanana, Mahazoarivo, Boriborintany faharoa eto an-drenivohitra iny.
Lasibatra amin'izany ireo tokantrano manana kaontera tranainy. «Raha ho fanatsaran-javatra dia tsy maninona», hoy ireo tokantrano tra-pahasahiranana noho izany, ny tsy fisian'ny filazana mialoha mba niomanana mialoha no mampitaraina azy ireo. Tsy vitan'ny miaina anaty haizina izy ireo fa simba avokoa ny sakafo notehirizina tamin'ny vata fampangatsiahana, sy ny fanafody ho an'ny sasany iharan’ny tsy fahasalamana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.