Tsy toy ny teo aloha intsony ny zava-misy ao Fenoarivo atsinanana renivohitry ny “zalamata” fa manomboka potika sy maloto ny tanŕna, araka ny fanazavan’ny mponina.
Nisy noho izany ny fangatahana nataon’ny ben’ny tanàna ho fanampiana azy ireo, anisan’izany ny traktera hanalana fako, fanampiana ara-bola hanaovana asa tanamaro ho fanadiovana ny tanàna, fiara mpamonjy voina izay tsy mbola nananan’ny kaominina hatramin’ny naha-kaominina azy, ary ny fanamboarana ny lalana Fenoarivo atsinanana – Amorondrano izay efa tena simba tanteraka nefa fivoahan’ny vokatra any an-toerana. Namaly ny sasany tamin’ny fangatahana ny filoha Rajaonarimampianina ka nanolotra vola 4 tapitrisa ariary hanaovana asa tanamaro, hanome traktera hanalana ny fako ary milaza ny hanamboatra ny lalana 29km Fenoarivo atsinanana – Amorondrano saingy hampidirina amin’ny asa ny taona 2016. Tsy nisy valiny kosa ny fiara mpamonjy voina sy ny tobinjana-paritry ny zandary ao Ampasimbe Manatsatrana ary ny olana ara-tany ao Vavatenina sy Itendro izay hiadian’ny vahoaka amin’ny olon-tsotra avokoa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.