“Nandositra alina avy any Fenoarivo Atsinanana aho io, izao tonga maraina eto Toamasina izao. Tsy faly mikasika ny vaovao mivoaka sy manakoako ao Fenoarivo Atsinanana mikasika ny fanoloana azy sy ny famoahana ny tenin’ireo mpikambana avy amin’ny HMMD manakiana azy ny lehiben’ny Faritra. Tsy maintsy hosamborina, hono, aho ary atao amin’ilay fanaovana azy araka ny nambaran’ny ekipany”. Izay no tenin’ity mpanao gazety vavy iray miasa amin’ny sehatra tsy miankina ao Analanjirofo ity raha tonga tao Toamasina izy omaly. Tahotra sy horohoro no nialany tao Fenoarivo Atsinanana omaly alina. Ireo olona tsara sitrapo nalahelo azy no nanampy azy nivoaka ny tanàna. Mbola nangovitra sy hendratrendratra be ity mpanao gazety ity tamin’ny fahatongavany tao Toamasina io, ary milaza ny tsy hiverina any Fenoarivo Atsinanana iasany, raha tsy misy fepetra mifanaraka amin’izany.
Nambaran’ity mpanao gazety tsy miankina ity fa, tsy sambany izao fifofoana aina mpanao gazety ao Analanjirofo izao, fa efa im-betsaka. “Na onjam-peo na mpanao gazety tsy miankina ka mamoaka vaovao manakina mpitondra, dia fandrahonana sy fampihorohoroana ary fanakatonana onjam-peo hatrany no setriny”, araka ny nambarany ihany.Araka ny nambaran’ity mpanao gazety tsy miankina ity ihany dia nanaovana fikarohana manokana mihitsy ny tenany, ary nanirahana olona nikaroka azyankoatra ireo niandry tao Namahoaka amin’ny lalam-pirenena faha-05, “nefa mbola misy ihany ny tsara saina sy demokraty eo anivon’ny faritra Analanjirofo, ka ireny no nampandre ahy nahafahako nitsoaka aloha”, hoy izy. Izao tokoa angamba ny fanovana nolazaina ombieny ombieny eto amintsika, izao ihany koa ilay fahalalahana sy demokrasia tiana hapetraka nodradradradraina ary izao koa no endriky ny fialana amin’ny jadona atao angoatenda isan’andro.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.