Actualités

Fenoarivo Atsinanana 11 volana tsy nandray karama ny mpiasan’ny Kaominina


  • Alakamisy 18 Novambra 2010

Raha nohainoana ny kabary nataon’i Saina Michel, lehiben’ny Faritra Analanjirofo sy ny Ben’ny tanŕna ao Fenoarivo Atsinanana, Imboalahy Gaston, amin’ny fanaratsiana ireo mpitondra rehetra teo aloha, nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny FAT tany an-toerana dia noheverina fa tena mandroso sy mandeha tsara ny raharaham-panjakana sy ny fitantanan-draharaha ao amin’ny faritra Analanjirofo sy ny Kaominin’i Fenoarivo Atsinanana manokana.

Nohararaotin’ireo mpiasa eo anivon’ny Kaominina tany an-toerana ny zava-nisy ny zoma lasa teo, ka nampirantian’izy ireo ny sorabaventy milaza ny fahorian’ny mpiasa noho ny karaman’ireo mpiasan’ny Kaominina 11 volana tsy nandray karama. Nambaran’ingahy Saina Michel anefa nandritra ny kabary efa ho 20 minitra nataony, ny fahavokaran’ny jirofo ao Fenoarivo Atsinanana sy faritra Analanjirofo. Nataony laza masaka ihany koa ny filazana fa tafakatra 8.000 ariary ny kilaon’ny jirofo noho ny fitondrana tetezamita ary 30.000 ariary ny litatry ny lasantsina jirofo ankehitriny. Raha ny marina anefa dia 5.000 ariary ny iray kilao amin’ny jirofo amin’izao fotoana izao ary 10.000 ariary hatramin’ny 16.000 ariary ny litatra ny lasantsina jirofo arakaraka ny kalitaony. Raha mamokatra be tahaka izany anefa ireo vokatra mampalaza ny faritra nahatonga ny anarany Analanjirofo ity, dia misy izany ny fidiram-bolan’ny Kaominina amin’ireo hetra sy tamberim-bidy azo avy amin’ny vokatra fanondrana tahaka ny jirofo. Ny mahagaga anefa dia 11 volana tsy nandray karama ny mpiasan’ny Kaominina. Nitazam-potsiny koa izany ny Faritra nefa nankalazaina mihitsy fa volabe no azo tamin’ireo “bois de rose” sarona tany an-toerana ? Tsy nasian’ny filohan’ny FAT resaka moa ilay sorabaventy sy izay ho fanampiana ireo mpiasan’ny Kaominin’i Fenoarivo Atsinanana tsy nandray karama 11 volana ireo. Mitohy izany ny fahorian’ireto mpiasa ireto, izay ahitana ireo mpiasa misahana ny fanadiovan-dalana, ny mpanangona hetra an-tsena, mpiasa birao ary ireo miasa amin’ny rantsamangaikan’ny Kaominina. 

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT