Hiroso amin’ny fitokonana manomboka anio talata 11 jolay ka hatramin’ny 18 jolay ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM).
Tsy norarahian’ny fitondrana ny fitakiana amin’ny hanomezana antoka ny hamelana ny fitsarana sy ny mpitsara hanao ny asany an-kahalalahana tsy misy fitsabatsabahan’ny fahefana mpanatanteraka, ny fanajana ny tany tan-dalàna,… fa ny nifanohitra tamin’izany aza no nisy. Nanome fe-potoana 10 andro ny fitondrana, ary nandefa taratasy tamin’ny ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra mihitsy ny SMM, saingy toa tsy norarahian’izy ireo ankitsirano, ka hihatra ny resaka tapaka tamin’ny fivoriam-be nasionaly tsy ara-potoana ny faha 28 jona 2017, izay nialoavan’ny fivoriam-be tsy ara-potoana isam-paritany, amin’ny hirosoana amin’ny fitokonana. Tianay no misarika ny sain’ny Vahoaka Malagasy, fa voahitsakitsaka tanteraka ny hasin’ny Fitsarana, tsy voahaja ny Fanjakana tan-dalàna raha tarafina amin’ireo tranga niverimberina tato ho ato, hoy ny SMM. Efa nanao ny dingana rehetra hikaroham-bahaolana izy ireo, saingy hatreto dia tsy nisy finiavana avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony hoentina hamahana ireo toe-draharaha manahirana, mianjady amin’ny Fitsarana sy ny Mpitsara. Mampitony ny sain’ny rehetra izahay fa ady sy tolona ho fampanjakana ny Firenena tan-dalàna sy ho fametrahana ny Fitsarana mba tena ho “fialofan’ny malemy, toeram-pikarohana ny fahamarinana ary ho andrim-pirenena” no tanjonay, izay efa maharesy lahatra anay hatry ny ela sy mifanojo amin’ny fanirian’ny besinimaro rahateo, hoy hatrany ny SMM. Tsapanay ireo mety ho fanelingelenana ateraky ny hetsika izay hataonay ho an’ireo manan-draharaha eny anivon’ny Fitsarana, saingy “didy maso asiam-panafody, mahareta fa hanana ny soa”, hoy izy ireo. Raha manana finiavana ny hitsaharan'ny fitokonana izay hataonay anefa ny Fahefana Mpanatanteraka, dia inoanay fa ny fifanatonana an-databatra boribory haingana sy mahomby no loharanom-bahaolana, hoy ny SMM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.