Actualités

Feno ny kapoaka Haneho ny heriny ny Advantista


  • Alarobia 14 Jolay 2010

Haneho ny heriny amin’ny fitondrana FAT sy ireo andian’olona mibodo ny taniny eny Soamanandrariny ny Fiangonana Advantista amin’ity faran’ny herinandro ity.

Hatramin’izao mantsy dia tsy mbola nisy ny andraikitra noraisin’ny manampahefana mikasika ity raharaha ity na dia efa nisy aza ny dingana nataon’ny Fiangonana niarovany ny taniny mirefy 44 ha. Efa tonga eo amin’ny kolejy sy ny tranon’ny pastera, toerana voafefy, anefa ireto mpibodo tany ireto hatramin’ny omaly manorina ny tranony, izay tsiahivina fa efa nilaza hatrany am-piandohana fa ny tokonam-piangonana sisa no avelany. Nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny Fiangonana omaly izay nanirahany ireo mpiambina miisa fito nanara-maso ny manodidina. Sorena vokatr’izany ireto andian’olona ireto no sady voatohintohina tamin’ny asa fanorenan-trano nataony ka saika raikitra ny fifandonana.

Nanao andiany marobe izy ireo ary namoaka vava sy nandrahona ireo mpanao gazety tonga nanangom-baovao teny an-toerana. Nambaran’izy ireo ihany koa fa azy ny tany ary ananany fahefana feno. Voalaza koa fa misy olona ambony amin’izao fitondrana izao ao ambadik’izy ireo, miaro azy amin’izao fibodoana ny tanin’ny fiangonana izao. Nanambara moa ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fiangonana Advantista fa efa feno ny kapoakan’izy ireo. Tsy hangina intsony izahay, hoy izy ireo fa hikatsaka izay mpitondra fanjakana ao ambadik’izao raharaha izao raha toa ka misy marina izany. Hisy ihany koa ny fanalana izany olona izany amin’ny toerany, hoy ihany izy ireo satria tsy mila mpitondra mpangalatra izahay. Tsiahivina fa efa namidin’ireto andian’olona ireto indroa miantoana ny “foyer des jeunes” ao anatin’ity tanin’ny advantista eny Soamanandrariny ity ary efa nandraisany lelavola 9 tapitrisa Ar.

 
Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT