Actualités

Feno laharana 1000 ny tia tanindrazana Tenin’ireo mpamaky Feno laharana 1000 anio alatsinainy 17 desambra 2012 ny gazety Tia Tanindrazana.


  • Alatsinainy 17 Desambra 2012


 Maro ny sakana nahazo azy satria nolazaina fa gazetin’ny mpanohitra izy. Misy mihitsy aza no nilaza fa gazetin-dRavaolomanana ity gazety ity. Nisy ireo mpamaky maneho ny heviny amin’izao fahatrarana ny laharana faha-1000 izao. Ao ny mpanohana, ao koa anefa ny mpanohitra. Ao ny nanome ny sariny. Ny ankamaroany kosa anefa tsy nanaiky izany.

 

Mme Do (olon-tsotra) : Mpamaky hatamin’izay nisiany aho. Ny tena hitiavako azy dia gazety milaza ny marina ny Tia Tanindrazana. Ny vaovao marina tsy dia hita amin’ny gazety maro no ambarany, anisan’ireny ny vaovao any amin’ny faritra, ny hevitry ny tsy manana firehana anefa te haneho hevitra. Ny vaovao politika no tena mahavantana ahy ny mamaky azy. Aleo hisy hatrany ny tia tanindrazana. Mampirisika sy mampahery ny mpiarabelona mba hamaky ny gazety satria ny radio efa tsy hahenoana vaovao afa tsy izay tiany alefa intsony. Ao amin’ny Tia Tanindrazana no ahitana vaovao marina. Mirary soa sy fahavitrihana ho an’ity gazety ity hatrany ary mampirisika mba ho marim-pototra sy mitombina hatrany ny vaovao alefa mba hampandroso ny firenena.

 

Randria (Mpanabe) : Ny fonony no jereko, avy eo raha misy mahaliana ahy vao mjery sy mividy aho. Ny fahitako azy amin’ny maha extremiste ahy dia gazety amidy io ary mety izy aloha amin’izao amin’ny maha mpanohitra azy. Ny tsara kosa anefa dia milatsaka ho afovoany (centriste) na dia milamina aza ny raharaham-pirenena raha tiana ny handehanany sy tsy hahafaty azy haingana. Ny gazety mpanohana mantsy mazàna dia izay no hiafarany : fatiantoka !

 

Mr Gaby SG : Mpamaky sy mpividy Tia Tanindrazana aho hatramin’izay nisiany tamin’ny septambra 2009. Efa mahatratra 15 kg angamba izy izao na mihoatra aza. Tsy amidiko na rovitiko fa tahiriziko ho vavolombelon’ny tantaram-pirenena. Mila tohizana hatrany ny fotokeviny milaza ny marina. Ny mahafinaritra ahy aminy koa dia izy tsy mitsitsy fitenenana amin’ny marina. Vakiako daholo ny takila rehetra. Sady fialamboly io gazety io no mitaiza ihany koa.

 

Sandrine (Mpitantsoratra) : Aza sodokan’ny haingo marevaka. Jereo tsara ny fototra ijoroana. Aza amidy ny maha malagasy anao sy ny tanindrazanao.

Nangonin-dRabeso 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT