Mankalaza ny faha-25 taona nijoroany ny Gakama na Gasy ka mahery amin’ity taona ity, fikambanana iray eo amin’ny sehatry ny haiady izay efa mieli-patrana manerana izao tontolo izao ankoatra ny eto Madagasikara. Tafatsangana ny 6 jona lasa teo ny kaonfederasionin’ny Gakama ivondronana federasionina haiady 33 eto Madagasikara, 20 ny any amin’ny nosy La Réunion,
3 any amin’ny nosy Maorisy,2 any Gouadeloupe ary 10 any Brezila. An’arivony ny mpikambana eto Madagasikara ka tafaray ao daholo ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena.Raha hazavaina misimisy kokoa dia ahitana mpiangaly ny haiady nentim-paharazana, misy mpanao sary hosodoko, misy artista sy mpanao sary ihany koa mivondrona ao amin’ny Gakama.Nosalorana ny medaly « Chevalier de l’ordre national » sy « ordre de mérite sportif » moa i Michel Le Dragon izay angady nananana sy vy nahitana tamin’ny fametrahana ny Gakama teto amintsika ary efa diso fanta-daza amin’ny resaka haiady sy ny fampisehoana ny fifehezana ny herim-batana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.