Actualités

Felaniary Naverina eny Antanimora


  • Alarobia 24 Novambra 2010

Omaly no niakatra tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tetsy Anosy ny raharaha Felaniary.

Nolavina ny fangatahany fahafahana vonjimaika. Amin’ny 14 desambra ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha. Raha hiverenana kely dia fanodinkodinam-bola sy fampiasana hosoka no anton’ny fitorian’ny toeram-piasany azy. Nofatorana rojovy i Felaniary omaly ary nafenina tamin’ny lamba ny tarehiny mba tsy hahazoan’ny mpanao gazety marobe izay nanaraka ny fitsarana, ny sariny. Felaniary na Johary Felaniary dia fanta-daza ary anisan’ny tena nankafizin’ny mpitia mozika teto an-drenivohitra nanomboka tamin’ilay raki-kirany mitondra ny lohateny hoe «Ny fitiavako anao». Tao anatin’ny herintaona monja dia nitombo be ny lazany ary malala-tanana rahateo ity mpanakanto ity. Tonga hatramin’ny fizarana maimaimpoana ny raki-kirany aza nisy fotoana. Tsy dia nametraka olana ara-bola mihitsy izy tamin’ny mpikarakara fampisehoana satria ny tanjony dia ny hampifaly sy hampalaza ny tenany. Kanjo moa efa be ny azo taty ambadika izay sarona ihany taty aoriana... 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT