Nanao fanambarana ny FNAE ny amin’izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao fa mety ho potika sy rava ny fihavanana izay fototry ny soatoavina Malagasy.
Manameloka ny famonoana sy fandratrana vahoaka ireny izy ireo. Miantso ny FFKM ihany koa mba handray andraikitra ary hanatanteraka fihaonambem-pirenena amin’izao olana mahazo ny firenena izao. Takian’izy ireo ny fandravana ny governemanta misy ary handinika lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana vaovao. Ankoatra izay, mangataka ny fampiakarana ny karamam-panjakana ho 15 % ary mitaky ny famerenana ny orinasa SOLIMA izy ireo. Eo ihany koa ny tokony hanafoanana avy hatrany ny fitrandrahana tsy manara-dalàna ny volamena, safira ary ny vatosoa. Hohamafisina amin’ny hetsika amin’ny alatsinainy 30 aprily eny amin’ny tranompokonolona Isotry izany, araka ny tatitra nataon’ny fikambanana.
Tsiry sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.