Actualités

Federation Famubo Madagascar Hiady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Tao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy notontosainy teny amin’ny hotely Colbert ny sabotsy 25 novambra 2017 teo no nanambaran-dRtoa Razafindravony Mélanie filohan’ny Federation Famubo Madagascar fa mila foanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eto amintsika.

 

 Ampy izay ireny atrikasa sesehena natao mikasika an’ity resaka ity izay, hoy izy, fa ny tena ady no ilaina. Miseho amin’ny endrika maro ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ka mila foanana, hoy izy. Misy ny teny frantsay milaza fa : “la violence n’est pas une fatalité” izay adika ara-bakiteny hoe : “Tsy lahatra akory ny herisetra”. Ny atao dia ny fampahafantarana zo hananan’ny tsirairay amin’ny herisetra, avy eo misy ny fidinana ifotony hatao ary farany tena miasa amin’ny ady atao amin’izay. Nanotrona ny fihaonana ny filohan’ny “Federation international Famubo”, Monique Mujawamariya.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT