Andro iray toa zato ho an`ny mpikirakira sary eto Madagasikara ny talata 13 febroary lasa teo.
Araka ny fahazoan-dalana Aut n* 477/MID/PREF/POL/ ASS/SYND dia mijoro ara-pomba ofisialy ny FED-PHOM-PRO na Federasionin`ny mpaka sary eto Madagasikara. Nanatanteraka fivoriambe sy fiarahabana nahatratra ny taona tetsy Ankadindratombo ny fikambanana mpaka sary eto Madagasikara. Nisy ny dinidinika hanatsarana ny fikambanana Apetraka ho tarigetra ny fivoizana ny fampivelaran`ny mpikambana eo amin`ny lafiny kalitao sy hairaha, hoy ny filohan`ny federasionina, Radoro Evariste. Na dia efa miroso amin`ny fitrandrahana ny nomerika aza izy ireo dia tsy hatao sakana ny fivoaran`ny ara-teknolojia ary dia efa mivonona izy ireo. Tonga nanome voninahitra sy nanotrona ny lanonana ny talen'ny ofisy malagasin'ny zon'ny mpamorona (OMDA), Haja Ranjarivo sy ireo tompon`ny laboratoara fikirakirana sary izay nirary soa sy fankaharezana. Azo atao tsara ny mampidi-bola amin'ny alalan'ny haino aman-jery sy ny sary eto Madagasikara ary manery ireo mpanao lalàna hamolavola lalàna vaovao mifanaraka amin'ny fampivoarana. Zon'ny mpamorona eo amin'ny haino aman-jery, fanamafisana ny fiarovana azy ireo, fampiharana ny lalàna, hoy ny talen`ny OMDA hatrany. Miisa 160 ny mpikambana ao amin`ny FED-PHOM-PRO ary hiezaka hampitombo ny isa ka hanentana an`ireo mpikatroka manerana ny nosy sady tsy dia misy masontsivana manokana fa mila olona efa mifototra ao anatin`ny tontolon`ny sary. Tsara ny manamarika fa ny atao hoe sary tsara dia tafita amin`ny olona ny hafatra tiana hambara sady ``Aleo sary iray toy izay teny arivo``.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.