Actualités

FAWE MAHAJANGA Nomena trano famakiam-boky ireo ankizy vavy notazaina


  • Alarobia 08 Aprily 2015

Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny FAWE Mahajanga ny fananganana ny trano famakiam-boky ho fialambolin’ireo zazavavy tazaina ao.

 

 

 

 Nahazo io fotodrafitrasa io ny fikambanana izay fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka INNER WHEEL sy ny fikambanana Nadiezhda any Luxembourg  ka ny zoma teo no nitokanana azy tao Mangarivotra Mahajanga. Raha tsiahivina, zazavavy avy amin’ny faritra manodidina an’i Boeny no tena maro tazaina ao ary efa saika tafita amin’ny kilasy famaranana avokoa izy ireo. Miisa 30 mahery ireo ankizy ao ka fikambanana maro no tonga manatitra ny fanampiana ao. Ho an’ny fikambanana INNER WHEEL dia anisan’ireo miandraikitra ny fitsinjarana ny sakafo ireo ankizy ka efa an-taonany maro no nanatanterahana ny fanampiana ny FAWE. Misokatra hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana. Hatramin’ny vondron’olona tsotra dia afaka miditra manampy ny FAWE amin’ny fanabeazana ireo ankizy tazaina ao.

                                                                                                                                    Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT