Efa mihoatra lavitra ny isan’ireo maty tamin’ny savorovoro 2009, ireo maty tany atsimo tato anatin’ny efa-bolana noho ny asan-dahalo.
Dahalo, zandary, miaramila, polisy ary olon-tsotra dia samy nisy maty sy naratra avokoa vokatry ny fifandonana mahery vaika. Ny fahamaroan’ny dahalo manafika no tena nampahery vaika izany fifandonana izany, ireto farany rahateo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ka tsy matahotra mpitandro ny filaminana intsony. Ny mahagaga amin’ity tranga ity anefa dia tsy mba hita ny hetsika nataon’ireo minisitra ao anatin’ny governemantan’ny firaisam-pirenena, ny amin’ny fidinana ifotony any amin’ireo faritra tena mijaly sy nidonam-pahoriana mafy fa toa mivangongo eto Antananarivo ireo minisitra ireo, ary mbola sahy nangataka 15 andro hanaovana vakansy indray aza. Ireo minisitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ihany no nisy fotoana nidina tany atsimo, fa ireo hafa kosa dia tsy hita tabilao. Izao anefa no tena fotoana ilan’ny vahoaka ny mpitondra sy manampahefana. Mila manaporofo ireto farany fa manam-pahefana ary mahafehy an’i Madagasikara marina izy ireo. Misy ny minisitra zanak’iny faritra atsimon’ny Nosy iny, misy mihitsy ny avy ao Esira anisan’ny nandalovan-dry Remenabila, kanefa dia tsy hita izay ataony fa toa nanao tsidi-pahitra tany an-toerana fotsiny dia niverina eto Antananarivo ary mety efa miala sasatra indray angamba ! Andrasan’ny maro ihany koa ny fanambarana mety hataon’ny filohan’ny tetezamita, izay filoham-panjakana no sady raiamandrenin’ny Malagasy rehetra, manoloana izao efa tandindona ady an-trano any atsimo izao.
Efa mifamono ny samy Malagasy, mirefotra ny basy ary Malagasy no mahavita mikapa Malagasy amin’ny famaky sy mitetika azy amin’ny antsibe. Mijanona ho teknika fotsiny mantsy ny fanazavana avy amin’ny minisitry ny foloalindahy sy ny filaminana anatiny ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa anjaran’ny praiminisitra na ny filoham-pirenena no manao kabary politika mba hampitoniana sy hanomezana toky ny vahoaka. Tsy izay anefa no zava-miseho fa dia mangina tanteraka ny eny Mahazoarivo sy Ambohitsorohitra, manoloana ny faty olona mikararana any atsimo.
Fa nahoana ? F’angaha tsy mba Malagasy ireo lavo ireo ? Manana fahefana hanapa-kevitra ny amin’ny paikady tokony hatao hamongorana ny asan-dahalo sy hametrahana ny fandriampahalemana any atsimo i Andry Rajoelina amin’ny maha filoha faratampon’ny foloalindahy azy, fa tsy voatery hiandry izay paikady avy amin’ireo be galona, izy rahateo manana mpanolotsaina amin’ny lafiny filaminana sy fandriampahalemana, ka manao inona fotsiny ireo olona maro be ao an-dapa ireo ? Sa ve tena tsy ahoan’ny mpitondra ny faty olona mikararana any atsimo, manomboka mitovitovy amin’ny nitranga tany Rwanda sy Burundi ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.