Actualités

Fasan’ny Karana Nitokona ny zotra nasionaly


  • Talata 02 Oktobra 2012

Nitrangana savorovoro teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara Fasan’ny Karana omaly.

 Nitokona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly, manohitra ny fampiharana ny naoty navoakan’ny ministeran’ny fitaterana tamin’ny 12 septambra 2012, mandrara ny kaoperativa iray tsy handeha lalan-kafa fa zotra tokana ihany. Nakaton’ireo mpanao fihetsiketsehana ny vavahady. Nikorontana ny fifamoivoizana teny an-toerana vokatr’io hetsika io. Nidina teny ny Polisy nampian’ny Emmo-Reg. Nisy fisamborana mpamily sy tompona fiara. Mangataka ny hanafoana ny naoty ireo mpitatitra, izay nilaza fa tsy nakana ny hevitr’izy ireo akory. “Naninona hatramin’izay nety, nefa ankehitriny izay mampihena ny mpandeha noho ny krizy indray no terena hanao zotra tokana ny koperativa”, hoy hatrany izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT