Mikorontana koa ny sehatry ny fitaterana nasionaly eto amintsika vokatry ny fampiharana ny lalŕna 2097 nivoaka tamin’ny taona 1997. Ity lalŕna ity izay mametra fa zotra iray isaky ny fiara ihany no azo ampiasana amin’ny fahazoan-dalana iray.
Samy nampihatra an’io avokoa ny mpitatitra an-tanàn-dehibe sy rejionaly ankoatra ny nasionaly. Araka ny fangatahan’ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly dia namoaka naoty nanamafy io didim-pitondrana io koa ny ministeran’ny fitaterana tamin’ny taona 2002 fa mahazo miasa amina zotra 2 ireo tompona fiara mampiasa fiara vaovao. Taty aoriana anefa dia lasa samy afaka nanokatra zotra 2 avokoa ny mpitatitra rehetra na dia efa antitra sy efa niasa aza ny fiarany. Saika nanana fahazoan-dalana hiasa amina zotra 2 avokoa, araka izany, ny mpitatitra rehetra kanefa ny 15%-n’izy ireo ihany no tena mampiasa izany ara-dalàna araka ny nambaran’ny Tale jeneralin’ny ATT, Rakotondrajao.
Tapa-kevitra ny hamerina amin’ny laoniny ny fampiharana ilay lalàna 2097 nampian’ilay naoty navoakan’ny ministeran’ny fitaterana ity sampandraharaha miadidy ny fitaterana an-tanety ity ary nanome fe-potoana ireo mpitatitra hanaraka izany hatramin’ny faran’ny volana aogositra 2010 ary mbola nahemotra hatramin’ny faran’ny septambra teo izany rehefa hita fa maro no tsy nanaraka azy. Nisy tamin’ireo tompona fiara anefa no tsy te hanaraka io fitsipika io mihitsy ka nanatanteraka fitokonana tetsy amin’ny Fasan’ny Karana. Nobahanan’izy ireo ny vavahady fidirana tao amin’ity toeram-piantsonana ity omaly tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro mba tsy hisy fiara afaka miditra na mivoaka. Noho izany dia tsy nisy afaka nameno mihitsy. Feno fiara mpitatitra ihany koa nanamorona ny andaniny avy teny amin’ny “route digue” izay niteraka fitohanan’ny fiara mandra-pahariva ny andro. Niseho lany anefa ny tsy fitovian-kevitra tamin’ny samy mpitatitra satria nisy ihany koa ireo nanda ny fampiasana fahazoan-dalana iray ho ana zotra 2.
Henjana ny adihevitra izay natrehan’ny Tale jeneralin’ny ATT sy ny Tale jeneralin’ny ministeran’ny fitaterana tao amin’ny biraon’ny Aotravo teny amin’ny Fasan’ny Karana ihany. “Tsy tena mpandraharaha matihanina ireo mitsipaka ny fiasana amin’ny zotra 2 samy hafa ireo fa saika mpampanofa fiara avokoa, izany hoe tsy voatery haka taratasy any amin’ny ATT izy rehefa handeha”, hoy i Feno, tompona fiara amin’ny kaoperativa Kofmad. Nanampy koa i Gest fa “tsy mety raha asiana fanavahana amin’ny samy mpitatitra satria mampanjaka ny risoriso izany. 1 tapitrisa hatramin’ny 3 tapitrisa izao ny vidin’ny fahazoan-dalana”. Misy tamin’ireo tsy mankasitraka ny hetsika kosa no nilaza fa mpitatitra avy eny Ambodivona ireo nanakorontana teny amin’ny Fasan’ny Karana. Raha ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny ATT tamin’ny antso an-tariby dia anjaran’ireo mpitatitra no mamaha ny olany amin’ny alalan’ny fivoriambe izay tontosaina mialoha ny 18 oktobra izao. Nifanaraka kosa anefa ny rehetra fa ajanona ny fitokonana ary efa hariva vao nisy fiara afaka nanainga nianatsimo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.