Actualités

Farmasia Itaosy Nakatona fa nampiasa diplaoma hosoka


  • Talata 20 Jolay 2010

Nakaton’ny fanjakana ny farmasia Itaosy noho ny fampiasana diplaoma hosoka. Didy (requête sur ordonnance) navoakan’ny fitsarana no nentin’ny vaditany nampian’ny zandary nanatanteraka ny fanidiana ny trano «scellés» teny an-toerana omaly maraina tokony ho tamin’ny sivy ora raha mbola vao nisokatra fotoana fohy ity toeram-pivarotam-panafody ity.

Fanakatonana fanindroany izao tontosa izao satria efa nomelohan’ny fitsarana higadra an-tranomaizina roa taona sazy mihantona miampy onitra roa tapitrisa ariary Razanamahefasoa Josephine, tompon’ny farmasia Itaosy ny volana desambra 2008 ary nikatona niaraka tamin’izay koa ny toeram-pivarotam-panafodiny araka ny fanazavan’ny filohan’ny Holafitry ny farmasiana, ny Dr Rabemanantsoa. «Tsy afaka manatanteraka ny asan’ny farmasiana ity ramatoa ity fa mpisandoka. Nanambara izy fa nianatra tany amin’ny Firaisana Sovietika (Rosia ankehitriny) ka rehefa nohamarinina teny anivon’ny CONABEX dia nilaza ny tompon’andraikitra tao amin’ity sampandraharaha ity fa ny sehatry ny fitaterana an-dalamby no nianarany tany an-toerana. Nanamarina izay koa ny masoivoho rosiana», hoy Rakotobe Yvette, Talen’ny “Agence des Medicaments”.  Farmasia saropiaro amin’ny asany no, nitory azy. Vokany dia nihidy ny farmasia Itaosy nandritra ny taona 2008 iray manontolo saingy niverina nisokatra indray izy ny volana martsa 2009. Talanjona ny Holafitra sy ny sendikan’ny farmasiana nanoloana ny zava-nisy ka nanontany teny anivon’ny ministera ny anton’izany. Natao ny fanadihadiana ka voamarina fa tsy mbola ara-dalàna ny farmasia Itaosy. Nametraka fitoriana ny Holafitra sy ny sendika noho izany.

Tsy nanaiky lembenana koa anefa Razanamahefasoa Josephine fa nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny Filankevi-panjakana ary nangataka ny fanafoanana ny didin’ny ministera izay nanakatona ny farmasiany tamin’ny taona 2008. Mbola resy teny anivon’ny Filankevi-panjakana indray ny farmasia Itaosy ka izao miafara amin’ny fanakatonana azy izao tamin’ny alalan’ny “requête sur ordonnance”, hoy ny talen’ny “Agence des Médicaments”. Niezaka nikaroka an-dRazanamahefasoa tompon’ny toeram-pivarotam-panafody nakatona ity ny gazety Tia tanindrazana haka ny heviny saingy tsy hita no misy azy. Tsy misy laharan-tariby ahafahana miantso azy koa anefa ny farmasiany. 

Toerana feno mpivaro-panafody tsy ara-dalàna ihany koa eny Ambohipo sy ny manodidina eny. Im-betsaka no nisy bemidina nataon’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana fa vao mainka aza niseho masoandro ireo mpanera fanafody, izay azo antoka fa tsy nandalim-pahaizana momba ny farmasia na fanafody akory ny ankamaroan’izy ireo.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT