Actualités

Faritra Vakinankaratra Natomboka omaly ny fambolen-kazo


  • Zoma 12 Janoary 2018

Nosokafana tamin'ny fomba omaly alakamisy 11 janoary 2018 ny fambolen-kazo ho an'ny faritra Vakinankaratra ka ny Station forestier Ankofafabe-Sambaina, distrikan'Antsirabe faharoa no nanatanterahana ny asa.

Saika ireo sampandraharaham-panjakana misy tao Vakinankaratra sy ireo fikambanana maro samihafa moa no niara-nientana tamin'ity hetsika ity. raha ny fanazavana netin-Rtoa Ratefason Toditsara, Talem-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Hay voaary ary ny Ala ao Vakinankaratra dia velaran-tany 5 ha no norakofana hazo teo amin'ity toerana ity ka ny 4 ha dia efa vita nialoha ny nanaovana ny hetsika niarahana tamin'ireo vondron'olona ifotony mitantana ny ala tao an-toerana fa ny 1 ha sisa no netina nanamarihana izany. Ny lohahevitra napetraky ny fanjakana moa dia ny hoe: "Fambolen-kazo mahomby, fanoitra ho an'ny fampandrosoana maharitra". Raha ny fanamby ho an'ny Faritra Vakinankaratra dia 3.000 Ha . Tokony ho tratra izany raha mahatratra ilay 5 ha isaky ny kaominina ny rehetra, miaraka amin'ireo orinasa isan-tokony sy ny fikambanana maro samihafa. Marihina moa fa amin'izao fotoana dia efa hentitra ny fanaraha-maso ataon'ny sampan-draharaha iaididiany amin'ny fanaraha-maso ireo toerana fambolen-kazo rehetra ao Vakinankaratra.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT