Ho fiatrehana ny fetin’ny Paska 2015 dia nanome tanana ny kaominina Antsirabe ambonivohitra indray ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra amin’ny fanesorana ireo fako sy ny fanamboaran-dalana.
Nambaran’Atoa Mandrindra Andrianjanaka Albert, Lehiben’ny faritra fa anjaran’ny kaominina manontolo ny fikarakarana ny fety saingy manoloana ny zava-misy izay tsy mbola ahafahan’ny kaominina mihetsika dia tsy afaka ny hitazam-potsiny izy ireo. Misy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanadiovana toy ny Transport Bakar sy ny Transport Seraly ary ny Orinasa Tsarahasina nanome fiara sy solika. Tanjona, hoy ny lehiben’ny faritra ny tsy hampitsanga-menatra ny tanànan’Antsirabe manoloana ireo vahiny marobe hitsidika any an-toerana. Anisan’ireo namboarina moa ny lalana miditra an’Antsirabe manomboka eny Antsaha ary ireo lavadavaka efa mba nototorana teo aloha ka simba indray.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.