Actualités

Faritra SAVA-DIANA « Tara loatra ny fanazavana ny lalŕmpanorenana »


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010


Nanatanteraka fitetezana ny distrika sivy any amin’ny faritra SAVA sy DIANA iny nanomboka ny zoma 30 oktobra teo hatramin’ny sabotsy 6 novambra ny delegasiona miisa 18 miaraka amin’ireo mpikambana eo anivon’ny CST sy ny CT voatendry avy any amin’ny faritra SAVA sy DIANA iny. Ny Filoha lefitry ny CST Atoa Patrick Mounibou sy ny Filoha lefitry ny CT Atoa Seramila Beza no miatrika ny delegasiona amin’ny famoriam-bahoaka ho fampahafantarana ny lalàmpanorenana vaovao. Tena liana tamin’ny fanazavana ny lalàmpanorenana sy ny resaka fitsinjaram-pahefana tena izy ny vahoaka saingy ny olana dia efa antomotra loatra ny fotoana hifidianana vao misy ny fanazavana ka tsy afaka mamakafaka firy ny vahoaka, araka ny fanazavana azo. Nisy hatrany moa ny fametraham-panontaniana nataon’ny olona isaky ny vita ny fifampidinihana. Tsy nanao  ny fampilezan-kevitra ho amin’ny fifidianana ny «Eny »na «Tsia »moa ireto CST sy CT avy any amin’ny faritra SAVA sy DIANA ireto fa dia niezaka fotsiny  ny nampahafantatra tamin’ny olona ny lalàmpanorenana vaovao.

Rabe                                                                                                                                           

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT