Actualités

Faritra Melaky Misy 5 tapitrisa dolara tsy mazava


  • Alakamisy 16 Septambra 2010

Miteraka resabe any Melaky any amin’izao fotoana ny nampiasana ny vola 5 tapitrisa dolara tokony ho naloan’ny orinasa Total amin’ny Faritra Melaky, ampahany amin’ny 10 tapitrisa dolara tambiny miditra any amin’ny Faritra amin’ny fikarohana solika ataon’ity orinasa frantsay ity any an-toerana.

Nifanarahana teo am-piandohana nanaovana ny fifanarahana mahakasika ny fitrandrahana solika fa haompana amin’ny tetikasa sosialy io 5 tapitrisa dolara io. Misy komity tokony hatsangana hanara-maso ny hampiasana ny vola. Mialoha izay anefa dia tokony hiaraha-mamaritra ny tetikasa hatao ary hovatsiam-bola amin’io 5 tapitrisa dolara io. Araka ny fantatra dia efa nisy komity nijoro ary voafaritra sady efa nankatoavina koa ireo tetikasa sosialy toy ny fanamboarana tohodrano izay anisan’ny mampijaly iny Faritra Melaky iny, sekoly, ny vehivavy sy ny miralenta. Tsy mbola niroso tamin’ny fanatanterahana ary tsy nanomboka akory anefa ny asa dia tapaka ilay tetikasa noho ny fanonganam-panjakana nitranga ny taona 2009. Na izany aza zavatra efa vita sonia ary efa nifanekena tamin’ny fanjakana ny handoavan’ny orinasa Total io 5 tapitrisa dolara io, hanaovana asa sosialy any Melaky. Izay no heverina fa anton’ny fivoriana natao tany Morafenobe ny volana jona 2009, namaritana indray izay asa hampiasana ny vola.

Ny nahagaga anefa dia maro tamin’ireo fikambanana tsy miankina sy ONG nandray anjara tamin’ny famolavolana ny tetikasa teo am-piandohana no tsy nantsoina handray anjara tamin’io fivoriana io. Tsy izay ihany fa raha ny lojika dia tokony ho ireo tetikasa efa voavolavola ary efa nankatoavina fa hotanterahina no nasiam-panitsiana fa tsy namoronana vaovao. Tsy izay anefa no nitranga araka ny loharanom-baovao akaiky ity tetikasa ity. Eo ary no mipetraka ny fanontaniana ny amin’izay nampiasana marina io 5 tapitrisa dolara avy amin’ny Total io. Sady tsy misy ny tatitra mavaza rahateo no betsaka amin’ireo voakasik’io tetikasa io koa anefa no voailika, ka mampitombo ny ahiahin’ny maro.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT