Actualités

Faritra Melaky Horakofana ala honko


  • Alakamisy 02 Martsa 2017

Ny 65%-n’ny tanjona tiana hotratrarina amina fandrakofana ala honko ny faritra Melaky hatreto no vitan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny tontolo iainana na ny WWF sy ireo vondron’olona ifotony any an-toerana ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’izy ireo.

 Voana honko miisa 300.000 hatreto no voavoly raha 490.000 no tanjona hatramin’ny volana martsa. Miisa 155.000 no voavoly ny febroary lasa teo raha toa ka 140.000 kosa tamin’ny volana janoary. Zava-dehibe ny fandrakofana ala honko iny faritra iny, raha ny fanazavana, satria dia mitroka etona karbonika betsaka indrindra ity karazan-kazo ity sady mandrindra tontolo iainana noho izy maitso mavana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT