Mbola betsaka ireo ankizy sy olon-dehibe tsy manana kopia mari-pahaterahana amin’izao eto an-drenivohitra.
Betsaka ireo antony mety mahatonga izany toy ny tahotra ny hanatona biraom-panjakana raha eo ihany koa ny fiterahana amin’ny Renin-jaza. Manoloana io tranga io dia mandray an-tanana azy ireny ny fikambanana mpanao asa soa iray eny Manarintsoa Isotry eny. ONG Hardi no anarany izay mampianatra mamaky teny sy manoratra no sady manome fiofanana arak’asa sy manampy ireo ankizy sahirana ho afaka miatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC ihany koa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamboarana kopia mari-pahaterahana. Hatreto dia miisa 300 ireo ankizy efa nahazo tombontsoa tamin’izany nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2014-2015. Mitohy hatrany izany ka tamin’ity taom-pianarana 2017-2018 ity dia omaly no nizarana tamim-pomba ôfisialy izany kopia izany, notarihin-dRazafimanantsoa Arthur, lehiben’ny ivon-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.