Faritra maro eto an-drenivohitra sahady no efa dibo-drano taorian’ny rotsak’orana nisesy nandritra ny roa andro.
Saika voakasika avokoa ny faritra iva rehetra toy ny eny Ampefiloha Ambodirano, Ilanivato Ampasika, Anosizato atsinanana I sy II, Anosibe, Mandrangobato Anosibe ... Ireo lalovan’ny lakandrano GR etsy Andriantany no tena mahita faisana amin’izany ka tsy vitsy ireo fianakaviana efa nandao ny tokantranony sahady. Toraka izany koa ireo faritra misy ny bassin de retention fivarinan’ny rano nefa tsentsina. Manoloana izany dia manahy ny mety hisian’ny tondra-drano ny rehetra, indrindra amin’ny taona vaovao ho avy io. Manampy trotraka izany ny fahalalana fa mety hahery vaika kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ny ranon’orana eto amintsika noho ny fisian’ilay “Elmino” any amin’ny ranomasina pasifika. Fantatra fa tsy maintsy hiroso amin’ny fanadiovana io lakandrano io ny APIPA sy ny kaominina.
Pati
Legende : Tahaka izao sahady ny manjo ireo mponina etsy Ampefiloha ao anatin’ny boriborintany I
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.