Actualités

Faritra DIANA Hohatsaraina ny fiompiana ondry sy osy


  • Talata 05 Mey 2015

Miompy ondry sy osy avokoa ny 60%-n’ireo tokantrano Malagasy. Manodidina ny 2 tapitrisa moa ny isan’ireto karazana biby fiompy ireto izay tena manampy amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina mahantra eto Madagasikara. Azo atao tsara tokoa ny mampiroborobo ity fiompiana mihodina haingana ity ahafahana misitraka tombontsoa maro toy ny sehatry fidiram-bolan’ireo mpiompy na ny

 

fanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa na koa ny sehatry ny fanondranana any ivelany. Olana hatrany anefa hatreto ny tsy fifehezantsika ny lafiny ara-teknika ka nahatonga ny minisiteran’ny Fiompiana nangataka tohana avy amin’ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Sakafo. Mitentina 910 tapitrisa ariary ny famatsiam-bola tetikasa fampiroboroboana ny ivontoerana ara-teknika ny fiompiana ondry sy osy any amin’ny faritra DIANA. Haharitra roa taona ny fandaharanasa ka hiitatra amin’ny faritra hafa aorian’ny fahazoam-bokatra tsara.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT