Actualités

Faritra atsimo sy andrefan’ny Nosy Mirongatra ny valala, mananontanona ny kere


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Mila sakanana haingana ny firongatry ny valala any atsimo sy andrefan’ny Nosy. Misy andiam-balala marobe hita tany amin’iny faritra iny. Valala zanatany antsoina hoe “criquet migrateur malgache (Locusta migratoria caputo)” izy io.

Ny tapatapaky ny volana aogositra teo no efa niala tamin’iny tapany atsimo andrefana nisy azy iny ary nanomboka nifindra nikisaka niantsinanana sy nianavaratra hatrany Maintirano izy ireo araka ny vaovao navoakan’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo na FAO. Fianakaviana tantsaha hatrany amin’ny 460.000 no tandindomin-doza. Tandindomin-doza torak’izany ihany koa ny fambolena ary ahiana ny mosary raha tsy voavonjy haingana izao. Tokony hohararaotina ao anatin’izao main-tany sy hatsiaka izao ny hamonoana sy hisakanana ny firongatry ny valala. Raha vao tonga mantsy ny vanim-potoanan’ny hafanana sy ny orana dia hanafaingana ny fitomboany. Mila volana maromaro ny fanaovana ny ady amin’ireto andiam-balala ireto mandritra ny vanim-potoanan’ny orana, araka ny fanambaran’ny FAO ihany. Vola manodidina ny 15 tapitrisa dolara eo no ilaina maika ahafahana manatanteraka ity famonoana valala ity. Velaran-tany dimy hetsy hekitara no voakasik’izany.

Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT