Ny 9 ka hatramin’ny 17 aogositra izao no hotanterahina any amin’ny faritra atsimo andrefan’i Madagasikara ny hetsika Vez’tival.
Tanjona, araka ny fanazavana, ny hampifandraisana ny kolontsaina sy ny fikarohana tokony hatao any an-toerana. Hisy, araka izany, ny hetsika isan-karazany toy ny taranjam-panatanjahantena rugby, moto, roller, cyclo-pousse ary fanentanana isaka’lina. Hampiavaka ny hetsika amin’ity ny fisian’ny fifaninanana semi-marathon amin’ny halavirana mirefy 21,095 km ary azon’ny olon-drehetra 18 taona no ho miakatra mandray anjara. Anisan’ny loka iadiana amin’izany moa ny smartphone avy amin’ny orinasa Telma, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tanjona eto ny hampahafantatra iny faritra iny amin’ny sehatra iraisampirenena satria araka ireo fikarohan’ireo manampahaizana dia manana harena an-dranomasina sy tenin-drazana mila ampahafantarina iny faritra iny ka antony anohanan’ny Unesco ny hetsika. Hisy rahateo moa ny vela-kevitra momba ireo lafin-javatra ireo hotontosaina manomboka ny andro voalohany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.