Toy ireo faritra maro manerana ny Nosy dia vonona amin’ny fampandrosoana ihany koa ny Faritra Analanjirofo raha araka ny fanazavan’ny lehibeny Ramaroson Jacques.
Efa misy ny fandaharan’asa novolavolaina hahafahana manatanteraka izany izay ezahina haparitaka manerana ny kaominina misy ny faritra iadidiany. Hohatsaraina ihany koa ny fizahantany sy ny fitantanana ny zaha voary na an-dranomasina na an-tanety hahafahana manome asa ny tsy manana sy hanampiana ireo kaominina somary mbola marefo. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa hiroso amin’ny fampandrosoana ny kaominina rehetra ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo ka amin’ny alalan’ny fampanaovana fifaninanana azy ireo no hanatontosana izany. Nomarihin’ity lehiben’ny Faritra iray ity moa fa manana vokatra azo haondrana marobe izy ireo ary efa misy politika napetraky ny minisitera hampitomboana ny vokatra. Tafiditra ao ny paik'ady hanatsarana ny fambolena lodsia sy jirofo…izay vao avy nitrandrahana zana-kazo vaovao mihitsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.