Actualités

Faritra Analanjirofo Vonona amin’ny fampandrosoana


  • Alarobia 11 Janoary 2017

Toy ireo faritra maro manerana ny Nosy dia vonona amin’ny fampandrosoana ihany koa ny Faritra Analanjirofo raha araka ny fanazavan’ny lehibeny Ramaroson Jacques.

Efa misy ny fandaharan’asa novolavolaina  hahafahana manatanteraka izany izay ezahina haparitaka manerana ny kaominina misy ny faritra iadidiany. Hohatsaraina ihany koa ny fizahantany sy ny fitantanana ny zaha voary na an-dranomasina na  an-tanety hahafahana manome asa ny tsy manana sy hanampiana ireo kaominina somary mbola marefo. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa hiroso amin’ny fampandrosoana ny kaominina rehetra ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo ka amin’ny alalan’ny  fampanaovana fifaninanana azy ireo no hanatontosana izany. Nomarihin’ity lehiben’ny Faritra iray ity moa fa manana vokatra azo haondrana marobe izy ireo ary  efa misy politika napetraky ny minisitera hampitomboana ny vokatra. Tafiditra ao ny paik'ady hanatsarana ny fambolena lodsia sy jirofo…izay vao avy nitrandrahana zana-kazo vaovao mihitsy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT