Actualités

FARITRA ANALANJIROFO Tata-drano miisa 18 lehibe no hamboarina


  • Zoma 13 Janoary 2017

Tongotra mby an-dakana ny fampandrosoana ho an’ny Faritra Analanjirofo.

 Tata-drano miisa 18 mantsy no an-dalam-panamboarana amin’izao fotoana izao miampy ireo lalan-dratsy tsy latsaky ny 20 km eo anelanelan’ny distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Nandritra ny fivoriana izay niarahan’ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques tamin’ireo minisiteran’ny asa vaventy sy ny vondrona Eoropeanina tetsy amin’ny Solimotel Anosy no nahafantarana izany omaly. Tanjona, hoy ny lehiben’ny faritra ny hahafahana mampidina ny vidim-piainana izay tena efa mampitaraina fatratra ny mponina tokoa ankoatra ny fampiakarana ny vidim-bokatra amin’ny alalan’ny fahafahan’ny mponina mivezivezy. Mahavokatra lavanila maitso 1.000 taonina isan-taona izy ireo raha 20 taonina kosa ny jirofo. Efa eo am-piketrahana amin’ny famokarana angovo mahatratra 137 mg watts amin’ny alalan’ilay renirano iray lehibe any an-toerana ihany koa izy ireo ankehitriny hahafahana miady amin’ny delestazy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT