“Nantenaina hanirina vao mainka nampivandravandra”. Izay no fahitan’ny vahoakan’Analanjirofo ny fihetsiky ny lehiben’ny faritra Malo Benoit, izay ny filoham-pirenena mihitsy no tonga tao Fenoarivo Atsinanana nametraka azy tamin’ny toerany.
Raha ny fanazavana nangonina tany an-toerana dia tsy misy hafa tamin’ny zava-nitranga nataon’ny lehiben’ny faritra teo alohany ny zava-misy ankehitriny. Io angom-baovao io ihany no nahalalana fa resa-pianakaviana ny fitantanana ny faritra. Ny zana-drahalahiny no mihazona ny talen’ny kabinetran’ny faritra. Ny rahalahiny iray tampo aminy kosa no mihazona ny sekretera jeneralin’ny faritra ary ny fianakaviana akaiky azy avokoa no mameno ny kabinetra. Vokatr’io zava-misy io dia tsy mihevitra ny hahita vokatra amin’ny fanovam-piasa sy fahazoam-bokatra amin’ny fampandrosoana ny faritra ary ny ady atao amin’ny trafika manimba ny toekaren’ny faritra ny vahoaka. Ankoatra izay, tsy afa-manao na inona na inona amin’ny zava-misy ny antokon’ny filoham-pirenena, izay anisan’ny tena voa mafy tamin’izao fametrahana ny kabinetran’ny faritra Analanjirofo izao.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.