Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia fantatra fa fianakavian’ny mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena avokoa no ao anatin’ny fitantanana ny Faritra Analanjirofo ankehitriny.
Mpihavana akaiky aminy koa na ny talen’ny kabinetran’ny Faritra na ny inspekteran’ny faritra na ny lehiben’ny faritra izay vao voatendry vao haingana. Resaka “Nepotisme” tsotra izao izany, hoy ny vazaha na kiantranoantrano, hoy isika Malagasy ka manome hery an’ireo antoko politika izay efa tsy hita tabilao intsony tao ho ao. Tezitra amin’izao ataon’ny fitondrana izao ny vahoaka. Tezitra ihany koa ireo Olobe sy Tangalamena any amin’ity Faritra ity fa natao tsinontsinona ny fanoloran’izy ireo anaran’olona hatao lehiben’ny Faritra izay efa nampandalovina tamin’ireo lehiben’ny HVM manerana ny distrika 6 any Analanjirofo. Izany no mba setrin’ny tso-drano nomenay ny filoham-pirenena, hoy izy ireo. Lasa resaka kitranoantrano eo anivon’ny prezidansa ny fahazoan-toerana any amin’ny Faritra, hoy izy ireo, ka azo ambara fa tena voafahan-dalitra ny filoha na manohy ny fanaporofoana fa izy dia mpivadika amin’ny mpanohana azy. Manahirana ihany ny mieritreritra fa hoe mety hahazo toerana ben’ny tanàna ao amin’ny Faritra Analanjirofo ny HVM, araka ny fanamarihana avy any an-toerana ihany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.