Somary latsaka kely raha oharina amin’ny tamin’ny taona 2016 ny taona 2017 ny vokatra teto Analamanga,
hoy ny lehiben’ny faritra, Ndranto Rakotonanahary, raha nilaza tamin’ny ankapobeny ny tombana hitany nandritra ity taona ity. Mafimafy ny 2017 saingy afaka miteny isika hoe : voavaha ny olana, hoy izy. Lalana simba marobe no tsy vita ary toy izany koa ireo biraon’ny kaominina. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, hoy ny tenany, indrindra, ireo kaominina mbola tena ahitana izay tsy fahatomombanana izay. Nampanantena moa lehiben’ny faritra fa hiitatra hatrany ny fisokafana eo amin’izay fiaraha-miasa amin’ireo kaominina ao anatin’ny faritra iadidiany izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.