Enin-taona katroka omaly no namolavolana fa ny dokotera Ramandehamanana Richard no hitantana ny faritra Alaotra Mangoro mandritra ny fitondrana tetezamita. Enin-taona aty aoriana, namindra fahefana tamin’ny mpahay toekarena Ranaivonirina Jean Yves ny lehilahy. Betsaka ny tontosa fa maro ihany koa ireo tsy vita nandritra ny enin-taona nitantanan’ny dokotera Ramandehamanana Richard.
Niezaka nitety ireo kaominina 79 mandrafitra ny faritra Alaotra Mangoro ny lehilahy nandritra ny fotoam-pitantanany. Ankehitriny, nanome toky ny tenany fa mbola vonona hifanome tanana amin’ny lehiben’ny faritra vaovao. Fanamby apetra-dRanaivonirina Jean Yves ny hanatsara ny fitantanana ny faritra amin’ny alalan’ny fikajiana ny tamberimbidy miditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny faritra. Nambarany fa zanak’olona antonony izy fa tsy mpanefoefo ka hitsinjo ny madinika no nahatongavany eo amin’io toerana io. Vain-dohan-draharaha ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny tontolon’ny fanabeazana ireo kilonga zanaky ny faritra. Lasa iny ny mpitsabo fa tonga ankehitriny ny mpahay toekarena ka inoana fa ho haingana ny asa fampandrosoana ny faritra Alaotra Mangoro.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.