Tontosa ny faran'ny herinandro teo ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny lehiben’ny faritra vaovao any Alaotra Mangoro Atoa Ranaivonirina Jean Yves. Fanamby ho azy ny fampandrosoana ny faritra avy amin’ny fiaraha-misalahy ny rehetra.
« Tsy ekentsika, hoy izy raha tsy voalohany Alaotra Mangoro. Hofehezintsika ny fitatanam-bola ka haverina any amin’ny vahoaka ny hetra izay naloany amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa izay hajoro », hoy hatrany ny tenany. Efa nitana andraikitra ambony maro ny lehilahy talohan’izao fanendrena azy ho lehiben'ny faritra izao. Tao amin’ny kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka no nanatontosana ny lanonana nametrahana tamin’ny toerany ny lehiben’ny faritra vaovao. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fitsofan-drano ny Prefen'Ambatondrazaka. Nitsodrano azy ireo hahaleo hahalasa amin’ny andraikitra goavana izay sahanin’izy ireo ny minisi-panjakana misahana ny fotodrafitrasa Rakotovao Rivo sy ny Minisitry ny Solika Atao Lalarisaina Joeli.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.