Nitondra fivoarana teo anivon’ny tontolo Ambanivohitra ny fiaraha-miasan’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Departemanta Illes et Villaine.
Niroborobo ny fiompiana ombivavy be ronono sy ny sehatry ny fizahantany. Ao Alaotra fotsiny manodidina 1500 ny ombivavy be ronono ary zanak’omby 250 tamin’ny taona lasa. Liana amin’ilay fanatsarana ny taranaka omby vavy ny mpiompy any an-toerana saingy ireo teknisianina aza indraindray no tsy maharaka ny filan’ireo mpiompy. Manodidina ny 20 ireo mpiompy mivondrona ao anatin’ny fikambanana Ivolamahavita Rive Ouest, izay nijoro vavolombelona tamin’ny fahazoany tombony tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Departemanta Illes et Villaine. Nisy ny tombana ezaka natao tamin’ny talata teo izay nahafahana mamaritra indray ny mety ho endriky ny fiaraha-miasa amin’ny taona manaraka. Nanambara ny lehiben’ny faritra Ranaivonirina Jean Yves fa ilaina ny tomban’ezaka mba ahafahana mamantatra hoe tena nipaka any amin’ny vahoaka ve ilay tetikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombonantoka vahiny. Raha nandray fitenenana Atoa Xavier tompon’andraikitry ny tetikasa dia nilaza fa ny hampivoatra ny seha-pihariana ny olona eny ambanivohitra no tanjona ho azy ireo. Somary nampihisatra ny fiaraha-miasa ny fisian’ny krizy teto Madagasikara kanefa tsy kivy izy ireo fa vonona hatrany hanampy ny mponina ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.