Hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana ireo kaominina 87 mandrafitra ny faritra Alaotra Mangoro ny fiadidiana ny Faritra. Manodidina ny efatra hetsy sy roa tapitrisa Ariary isaky ny kaominina ny vola homen'ny Faritra azy ireo.
Tanjona ao anatin'izay dia mba hitovy eo amin'ny asa fampandrosoana ireo kaominina rehetra mandrafitra ny Faritra Alaotra Mangoro. Eo amin'ny lafiny fandriampahalemana dia nahazo miaramila ny faritra izay fantatra amin'ny hoe : “Detachement précurseur de sécurité”. Ireo no hanampy ny zandary sy ny polisy amin'ny fitandroana ny filaminana araka ny nambaran’ny lehiben’ny Faritra, Ranarisoa Désiré.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.