Actualités

Farimbon-tsendikaly Jirama Tsy handefitra manana ny rariny


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Tsy hihemotra amin’ireo antsojay sy herisetra ataon’ny mpitantana ny orinasa Jirama ny farimbon-tsendikaly mitarika ny hetsiky ny mpiasa Jirama.

 

Fanosihosena ny zo fototra ny fanampenam-bava miaraka amin’ny tsy fanajana ny zon’ny mpiasa hitokona tanterahan’ny tale jeneraly sy ny filankevi-pitantanana voalazan’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny asa ankehitriny. Manameloka ny fampiasana herim-pamoretana mandrava fitokonana, ny fametrahana “détonateur” ao amin’ny toeram-piasana, ny fampihorohoroana toy ny fanapahana karama sy ny fampiadiana sy fampisaraham-bazana ny mpiasa miaraka amin’ireo fihetsika mamohehatra samihafa izay fomba tsy mendrika ny tany tan-dalàna. Efa nitondra ny raharaha eny anivon’ny «Conférence des travailleurs Malagasy» sy ny «Alliance des fédérations et des organisations Syndicales» eto Madagasikara ary any amin’ireo sehatra
iraisam-pirenena ihany koa.

Rodobe eny Anosy

Notanterahana omaly moa ny fifampidinihana na «médiation» teo amin’ny mpitantana ny orinasa sy ny solontenan’ny farimbon-tsendikaly Jirama saingy mbola nandamoka izany. Miantso ny mpiara-miasa Jirama rehetra hifamotoana hanao rodobe hiatrika ny “Conseil d’arbitrage” anio maraina eny Anosy ny farimbon-tsendikaly Jirama. Fotoana ahafantarana
ny didim-pitsarana momba ireo teboka 8 amin’ireo 25 tsy voalamina tany amin’ny “médiation”.

Ramano F.



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT