Actualités

Farihin’Anosy Zaza herintaona saika hovonoin-dreniny


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Nitrangana toe-javatra nampalahelo tetsy amin’ny ranon’Anosy omaly talata 16 janoary maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany.

Zazakely iray vao herintaona monja raha misy, tsy mbola mandeha akory no saika hahohoky ny reniny tao amin’ity rano ity raha tsy nisy mpandalo tampoka. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona handeha hikarama no nahatazana ny zava-nisy ka nijanona nandinika ny zava-misy ary niantso ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny boriborintany fahadimy etsy Mahamasina avy hatrany. Raha araka ny fanazavan’ilay nanavotra dia efa elaela no mody noloman-dreniny tao anaty ranon’Anosy  ilay  zaza, efa nikarainkon’ny hatsiaka sy torana tsy nahatomany intsony. Nandrasany tsy nisy mpahita dia saika halatsany. Tsy niandry ela ireo mpitandro ny filaminana fa vetivety dia tonga ka nentina avy hatrany tany amin’ny biraony izy mianaka sy ilay ramatoa nanatri-maso. Toy ny olona tsy salama saina ilay saika hamoa-doza rehefa nohadihadiana, fihetsika izay mety azo foronina ihany. Nitadiavana hevitra ilay zaza mba hiarovana ny ainy. Halefa eny anivon’ny ambaratonga ambonimbony kokoa ny raharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT