Toy ny isaky ny sabotsy fahefatra amin’ny volana, hiverina indray ny antsan-tononkalo ifanaovan’ny Faribolan’ny Poeta sy ny Mpanoratra Sandratra fotoana amin’ireo mpankafy haisoratra ao amin’ny Goethe Zentrum/CGM, Analakely.
Amin’ny maha volan’ny fitiavana ny febroary, hizara « Fy tia » amin’ireo mpanotrona azy ireo poetan’ny Sandratra telo mianadahy ahitana an’i Hanitra Olive, Herinina ary RiMa anio sabotsy 25 febroary tolakandro. Hisy hatrany ny boky mirakitra ny tsangan’asan’ireo poeta miantsa sy miantsehatra amin’ny antsan-tononkalo toy izao.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.