Actualités

Fantson-dranon`ny JIRAMA Mila fanavaozana goavana


  • Alakamisy 01 Martsa 2018

Misy olana indray ny tsy fahalavorarian`ny asan`ny JIRAMA tato ho ato.

Efa niteraka korontana ny vidin`ny jiro tsy mitsahatra miakatra nandritra ny herinandro maromaro na koa ny delestazy izay lazaina fa fahatapahana ara-teknika. Dia izao indray, tapaka ny rano tetsy sy teroa noho ny fahavakisan`ny fantson-drano lehiben`ny Jirama tetsy Ampefiloha vao omaly na koa teny Itaosy ny herinandro lasa teo. Noho ny lalana simba miha mandoaka mantsy eny an-toerana ary misy fantson-dranon'ny jirama vaky eo akaikiny izay mitarika ny lavaka raha ny fanazavana azo. Rehefa zohina, antitra ireo fotodrafitrasa ireo ary mila fanavaozana goavana ny fatsona raha te hahita vokatra mazava amin`ny fanatsarana ny tolotra ity orinasam-panjakana ity. Marobe ny faritra eto an-dRenivohitra efa niharan’izany ary mitaraina ny vahoaka nefa toa tsy fantatry ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Jirama izay fepetra tokony ho raisina. Misy ve fanaraha-maso an`ireny asa fanarenana ireny satria rehefa vita ny asa dia ataon’ny mpiasan’ny Jirama kitoatoa ny famerenana amin’ny laoniny ny lalana nopotehiny ary avelan’izy ireo teo avokoa ny fasika sy ny tany rehetra avy nampiasainy izay mety hitera-doza indray. Araka izany dia tsy ny milina sy ny fantsona ihany no efa lany daty ao amin’ny Jirama fa ny fomba fiasa mihitsy. Manoloana izany, mila mametraka politika mazava amin`ny fanarenanana sy fanatsarana fotodrafitr`asa ny JIRAMA hany ka ny vahoaka madinika hatrany no atao mibaby ny sarany sy mitaty ny vokatr`izany. Na dia izany efa maminavina ny fanavaozana ireo fitaovana maro, ary koa ireo tetikasa hanamafisana ny famokaran-drano sy ny fampihenana ireo rano very fotsiny eny amin'ireo tamba-jotra ity orinasam-panjakana ity. Ny JIRAMA dia manamafy ihany koa, fa efa mitady ireo vahaolana maharitra azo tanterahina mba hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa hajaina araky nambaran`ny tompon`andraikitra hatrany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT