Hiara-kiasa amin’ny fanatanterahana ilay tetikasa fanorenana Tanŕna vaovao eto amintsika ny fikambanana Hafari Malagasy sy ny sekoly ambony GSI
. Nisongadina io ny sabotsy lasa teo nandritra ny famoahana ireo mpianatra navoakan’ity sekoly ambony iray ity miisa 500, nahazo ny mari-pahaizana Diplômes de technicien supérieur, ny licence ary ny master misalotra ny anarana “Fandresena”, nahian’ny filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana avy hatrany ireo mpianatry ny GSI ao amin’ny lalam-piofanana BTP amin’ny fanorenana trano hatao eto Madagasikara izay tokony ho vitan’ny tanora Malagasy, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy hanafarana vahiny lafo karama lava izao. Toraka izany koa ireo mpampivelona izay hiasa eny anivon’ny hopitaly hapetraka eny amin’ireny Tanàna vaovao ireny, izay mbola mpianatry ny GSI ihany koa. Efa an-dalam-pikarakarana ny any Moramanga moa izy ireo amin’izao fotoana raha efa mandeha araka ny tokony ho izy kosa ny etsy Soaniedanana Ankazobe. Marihina fa ho an’i Vavatenina manokana dia namoy ny ainy omaly ny filohan’ny Hafari Malagasy any an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.